<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Landy RABENIRAINY</author>
<hymn_number>59</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny fahasoavanao, izay nahatoy izao,
 Ary koa ny soa efa narotsakao,
 'Zany re, ry Tompo no niainana hatrizay,
 Ary mbola hiainanay anio, mandrakizay.

[V2]
 Tsy mba fantatray izay ho ampitsonay,
 Maizina tokoa raha ny làlanay ety,
 Nefa Tompo ô ! Ianao no itokianay, ka
 Tsy ho tampoka aminay izay tendrinao.

[V3]
 Be ny fikasana hanao ny sitrakao,
 Nefa tsy mahalala 'zay tokony hatao,
 Azavao ny sainay, toroy mba hahalala,
 Fa Ianao no hahita 'zay mahasoa anay.</lyrics>
<title>IANAO NO HAHITA ASAFA59</title>
</song>